Soratra Masina
Laharana 41
- 101 I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina Ao anatin’ny fahambonian’ny hatsaram-panahiny Andriamanitra no miteny amin’ny fitenin’olombelona, mba hanambaràny ny Tenany amin’ny olombelona : “Satria, ny Tenin’Andriamanitra voambara amin’ny fitenin’ olombelona dia lasa nisy fifanahafana amin’ny tenin’olombelona, tahaka ny nahatonga …
- 102 I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina Tsy milaza afa-tsy Teny iray Andriamanitra, amin’ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina, dia ny Teniny tokana izay ao Aminy no ilazany ny Tenany manontolo [89] : Tsarovinareo, fa iray ihany …
- 103 I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina Noho izany antony izany, hajain’ny Fiangonana lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra, tahaka ny hanajany koa ny Vatan’ny Tompo. Tsy mitsahatra izy manolotra ho an’ny mpino ny Mofon’aina raisiny eo amin’ny Latabatry ny Tenin’Andriamanitra …
- 104 I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina Ao amin’ny Soratra Masina no ahitan’ny Fiangonana tsy an-kijanona ny sakafony sy ny heriny [92] , satria amin’ny Fiangonana dia tsy raisiny ho tenin’ olombelona fotsiny ny Soratra Masina, fa izay tena …
- 105 II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina. “Ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, izay ao amin’ny bokin’ny Soratra Masina sy atolony, dia voarakitra an-tsoratra teo ambanin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina”. “Mihevitra ny Fiangonana Masina Renintsika, noho ny …
- 106 II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina Andriamanitra no nitsilo ny sain’olombelona mpanoratra ny Boky Masina. “Mba hamoronana ireny boky masina ireny, dia nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’ izy ireo …
- 107 II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina Mampianatra ny marina ny boky avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina. “Satria ny filazana marina rehetra ataon’ny mpanoratra nahazo fitsilovana na koa hoe mpanoratra masina, dia tsy maintsy tànana fa filazana marina avy …
- 108 II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina Saingy “tsy fivavaham-Boky” ny finoana kristianina, fa fivavahan’ny “Tenin’”Andriamanitra, “tsy avy amin’ny teny voasoratra sy moana, fa avy amin’ny Teny tonga nofo sy velona” [98] . Mba tsy hijanona ho soratra maty …
- 109 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina Ao amin’ny Soratra Masina, miteny amin’ny olombelona araka ny fomban’ olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin’ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak’Andriamanitra …
- 110 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina Mba hahatakarana ny hevitry ny mpanoratra masina , dia tsy maintsy dinihina ny fomba fiainana tamin’ny androny sy ny fomba fisainany, ny “karazan-dahatsoratra” fampiasa tamin’izany fotoana izany, ny fomba fahatsapana, fiteny ary …
- 111 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina Fa noho ny Soratra Masina avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia misy fitsipika fototra hafa enti-mivaofy azy marina, izay tsy latsa-danja noho ilay tetsy aloha, ary raha tsy misy azy, hijanona ho …
- 112 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina 1. Tandremana fatratra aloha “ny zava-boarakitra sy ny maha-tokana ny Soratra Masina manontolo”. Satria, na samy hafa toy inona aza ny boky nanoratana azy, dia iray ny Soratra Masina noho ny maha-tokana …
- 113 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina 2. Avy eo mamaky ny Soratra Masina ao amin’ “ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana manontolo” . Araka ny fombam-pitenenana iray nataon’ ny Aba, dia ao am-pon’ny Fiangonana no tsara kokoa amakiana ny Soratra …
- 114 III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina 3. Tandremana “ ny fifanahafam-pinoana ” [109] . Ny antsoina hoe “fifanahafam-pinoana”, dia ny firaisan’ny marina rehetra momba ny finoana amin’izy samy izy sy amin’ny fikasana manontolo iompanan’ny Fanambaràna.
- 115 Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina Araka ny lovantsofina tranainy iray, azo avahana ho roa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina : ny hevitra ara-bakiteny sy ny hevitra ara-panahy, ka ity farany ity indray moa mitsinjara ho heviny an’ohatra, heviny …
- 116 Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina Ny hevitra ara-bakiteny. Dia ny hevitra ambaran’ny tenin’ny Soratra Masina sy ahariharin’ny haihevi-tsoratra izay manaraka ny fitsipiky ny fivoasana marina. “Ao amin’ny hevitra ara-bakiteny no iankinan’ny hevi-tenin’ny Soratra Masina rehetra” [110] .
- 117 Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina Ny hevitra ara-panahy . Noho ny maha-iray ny fandaharan’Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana, fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. 1. …
- 118 Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina Misy andalana miaraka tsiroaroa amin’ny tononkalo iray tamin’ny taonjato antenatenany mamintina ireo hevitra efatra ireo : Ny hevitra ara-bakiteny no mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an’ohatra no manoro izay tsy maintsy inoana, …
- 119 Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina “Anjaran’ny mpamakafaka ny Soratra Masina no miezaka hanakatra sy hanazava lalindalina kokoa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, araka ireo fitsipika ireo, mba hanamasaka ny fomba fitsaràn’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny famakafakana ataon’izy ireo izay …
- 120 IV. Ny Lisitry ny boky mirakitra ny Soratra Masina Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly no nahatonga ny Fiangonana hahay manavaka hoe soratra toy inona no tsy maintsy noraisina ho ao anatin’ny lisitr’ireo Boky Masina [117] . Io lisitra manontolo io no …
- 121 Ny Testamenta Taloha Fizarana iray tsy azo esorina amin’ny Soratra Masina, ny Testamenta Taloha.Fitsilovana avy amin’Andriamanitra sy mitahiry soatoavina maharitra sady tsy miova ny boky rehetra ao [119] , satria tsy nofoanana na oviana na …
- 122 Ny Testamenta Taloha Noho izany, “mifototra indrindra amin’ny fanomanana ny fahatongavan’i Kristy Mpamonjy an’izao tontolo izao, ny fitantanam-pamonjena ao amin’ny Testamenta Taloha.” “Na dia mirakitra zavatra tsy lavorary sy vonjimaika aza” ireo bokin’ny Testamenta Taloha …
- 123 Ny Testamenta Taloha Manaja ny Testamenta Taloha ho Tenin’Andriamanitra tokoa ny kristianina. Manohitra mafy lalandava ny hevitra hanary ny Testamenta Taloha ny Fiangonana, araka ny fivaonam-pampianarana hoe : ny Testamenta Vaovao no nahatonga azy ho …
- 124 Ny Testamenta Vaovao “Miseho ao amin’ireo bokin’ny Testamenta Vaovao, ny Tenin’ Andriamanitra, izay heriny ho famonjena ny mpino rehetra, ary miharihary ao amin’ny fomba miavaka izany heriny izany” [121] . Ireo boky ireo no manolotra …
- 125 Ny Testamenta Vaovao Ny Evanjely no ivon’ny Soratra Masina rehetra “noho izy ireo manambatra ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran’ ny Teny tonga nofo, Mpamonjintsika” [123] .
- 126 Ny Testamenta Vaovao Azo avahana ho dingana telo ny niforonan’ireo Evanjely : 1. Ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa . Ny Fiangonana dia mitana mafy tsy azo hozongozonina fa ireo Evanjely efatra, “izay lazainy marina …
- 127 Ny Testamenta Vaovao Mitana toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely amin’ny endrika efatra, izay porofoin’ny fanajana omen’ny litorzia izany, sy ny hery manintona tsy manan-tsahala izay niasa tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny olomasina …
- 128 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Ny Fiangonana, efa hatramin’ny andron’ny apôstôly [127] , ary tsy miova tao amin’ny Lovam-pampianarany, dia nanazava ny maha-tokana ny drafitr’ asan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta anankiroa noho ny tandindona raketiny ( typologie ). …
- 129 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Noho izany, mamaky ny Testamenta Taloha araka ny fahazavan’i Kristy maty sy ny nitsangan-ko velona ny kristianina. Izany vakiteny ara-tandindona izany no maneho ny votoaty tovozin-tsy ritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Io …
- 130 Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao Ny tandindona dia midika fahavitrihana ho amin’ny fahatanterahan’ny drafitr’asan’Andriamanitra, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 Kôr 15,28). Tahaka izany, ny fiantsoana ny patriarka sy ny Fialana tao Ejipta, ohatra, dia …