I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Laharana 104 amin’ny Katesizy
Ao amin’ny Soratra Masina no ahitan’ny Fiangonana tsy an-kijanona ny sakafony sy ny heriny[92], satria amin’ny Fiangonana dia tsy raisiny ho tenin’ olombelona fotsiny ny Soratra Masina, fa izay tena maha-izy azy : Tenin’ Andriamanitra[93]. “Noho izany, ao amin’ny Boky Masina no ahatongavan’ny Ray izay any an-danitra amim-pitiavana eo anoloan’ny zanany sy iresahany amin’izy ireo”[94].