IV. Ny Lisitry ny boky mirakitra ny Soratra Masina
Laharana 120 amin’ny Katesizy
Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly no nahatonga ny Fiangonana hahay manavaka hoe soratra toy inona no tsy maintsy noraisina ho ao anatin’ny lisitr’ireo Boky Masina[117]. Io lisitra manontolo io no antsoina hoe “Boky masina mirakitra” ny Soratra Masina. Misy boky 46 (45, raha isaina miaraka i Jer sy ny Fitom) ny Testamenta Taloha ary misy boky 27 ny Testamenta Vaovao[118] :
Ny Testamenta Taloha : Jenezy, Eksaody, Levitika, Fanisana, Deterônômy, Jôsoe, Mpitsara, Rota, 1 sy 2 Samoela, 1 sy 2 Mpanjaka, 1 sy 2 Tantara, Esdrasa sy Nehemia, Tobia, Jodita, Estera, 1 sy 2 Makabeo, Jôba, ny Salamo, ny Ohabolana, ny Mpitoriteny, ny Tonon-kira dia Tonon-kira, ny Fahendrena, ny Ekleziastika, Izaia, Jeremia, ny Fitomaniana, Baròka, Ezekiela, Daniela, Ôsea, Joely, Amôsa, Abdiasa, Jônasa, Mikea, Nahoma, Habakoka, Sôfônia, Akjea, Zakaria, Malakia.
Ny Testamenta Vaovao : Ny Evanjelin’i Matio, i Marka, i Lioka ary i Joany, ny Asan’ny Apôstôly, ny Taratasin’i Md Paoly ho an’ny Rômanina, ny 1 sy 2 ho an’ny Kôrintianina, ho an’ny Galata, ho an’ny Efezianina, ho an’ny Filipianina, ho an’ny Kôlôsianina, ny 1 sy 2 ho an’ny Tesalônisianina, ny Taratasy 1 sy 2 ho an’i Timôte, ny Taratasy ho an’i Tito, ho an’i Filemôna, ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ny Taratasin’i Jakôba, ny Taratasy 1 sy 2 Piera, ny Taratasy 1 sy 2 ary 3 Joany, ny Taratasin’i Joda ary ny Apôkalipsa.