II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Laharana 108 amin’ny Katesizy
Saingy “tsy fivavaham-Boky” ny finoana kristianina, fa fivavahan’ny “Tenin’”Andriamanitra, “tsy avy amin’ny teny voasoratra sy moana, fa avy amin’ny Teny tonga nofo sy velona”[98]. Mba tsy hijanona ho soratra maty ny Soratra Masina, dia tsy maintsy i Kristy, Teny mandrakizain’Andriamanitra velona, no “manokatra ny saina amam-pahalalantsika hahafantatra ny Soratra Masina”[99], amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.