III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
Laharana 111 amin’ny Katesizy
Fa noho ny Soratra Masina avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia misy fitsipika fototra hafa enti-mivaofy azy marina, izay tsy latsa-danja noho ilay tetsy aloha, ary raha tsy misy azy, hijanona ho taratasy maty ny Soratra Masina : “Tsy maintsy vakìna sy voasana eo ambany fahazavan’ilay Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina”[102].
Foto-piheverana telo no atoron’ny Kônsily Vatikana II amin’ny fivoasana ny Soratra Masina mifanaraka amin’ny hevitry ny Fanahy izay nitsilo azy[103] :