I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Laharana 101 amin’ny Katesizy
Ao anatin’ny fahambonian’ny hatsaram-panahiny Andriamanitra no miteny amin’ny fitenin’olombelona, mba hanambaràny ny Tenany amin’ny olombelona : “Satria, ny Tenin’Andriamanitra voambara amin’ny fitenin’ olombelona dia lasa nisy fifanahafana amin’ny tenin’olombelona, tahaka ny nahatonga ho mitovy amin’ny olombelona ny Tenin’ny Ray mandrakizay, rahefa nitafy ny nofon’ny fahalementsika Izy”[88].