II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Laharana 106 amin’ny Katesizy
Andriamanitra no nitsilo ny sain’olombelona mpanoratra ny Boky Masina. “Mba hamoronana ireny boky masina ireny, dia nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’ izy ireo Andriamanitra, ka ny Tenany rahateo ihany no niasa tao amin’izy ireo sy tamin’ny alalan’izy ireo, mba hametrahan’izy ireo an-tsoratra, amin’ ny maha-mpanoratra marina tokoa azy ireo, izay rehetra nifanaraka tamin’ny fanirian’Izy Mpitsilo, ary dia izay ihany”[96].