Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao

Laharana 129 amin’ny Katesizy

Noho izany, mamaky ny Testamenta Taloha araka ny fahazavan’i Kristy maty sy ny nitsangan-ko velona ny kristianina. Izany vakiteny ara-tandindona izany no maneho ny votoaty tovozin-tsy ritra ao amin’ny Testamenta Taloha. Io vakiteny io tsy tokony hanadinoana fa ny Testamenta Taloha dia mitana ny soatoaviny manokana amin’ny Fanambaràn’Andriamanitra nohamafisin’ny tenan’Izy Tompontsika rahateo ihany[128]. Ankoatra izany, ny Testamenta Vaovao dia mila vakìna koa amin’ny fahazavan’ny Testamenta Taloha. Hisy hampiasana azy lalandava amin’ny katesezy fototra kristianina izany[129]. Araka ny fiteny tranainy iray, ny Testamenta Vaovao dia miafina ao amin’ny Taloha, nefa ny Taloha miseho ao amin’ny Vaovao : “Miafina ao amin’ny Taloha ny Vaovao ary miharihary ao amin’ny Vaovao ny Taloha”[130].

Loharano ôfisialy ↗