II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Laharana 105 amin’ny Katesizy
Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina. “Ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, izay ao amin’ny bokin’ny Soratra Masina sy atolony, dia voarakitra an-tsoratra teo ambanin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina”.
“Mihevitra ny Fiangonana Masina Renintsika, noho ny finoany avy amin’ny apôstôly, fa masina sy ara-pitsipi-pinoana ny boky rehetra na ny Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao, miaraka amin’ny fizarazarana rehetra ao aminy, satria manana an’Andriamanitra ho tompon-tsoratra izy ireo, noho izy ireo voasoratra teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ary toy izany hatrany no nampitàna azy ireo tao amin’ny Fiangonana”[95].