Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
361
I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra”
“Izany lalànan’ny firaisan-kinan’ny olombelona sy ny fifankatiavana izany” [239] , tsy manavaka ny hamaroan-karazan’ny olona, ny kolontsaina ary ny firenena, no manome antoka antsika fa tena mpihavana marina ny olombelona rehetra.
→
-
362
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Ny olombelona, noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra, dia zavaboary sady manana vatana no manana fanahy. Maneho io zava-misy io amin’ny fiteny an’ohatra ny tantara ao amin’ny Baiboly, tamin’ny filazany marina fa “namboarin’Andriamanitra tamin’ny …
→
-
363
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Matetika, ny teny hoe fanahy ao amin’ny Soratra Masina dia milaza ny ain’ olombelona [240] na ny maha-olombelona manontolo [241] . Nefa milaza koa, izay tena lalina indrindra ao amin’ny olombelona [242] …
→
-
364
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Ny vatan’ ny olombelona dia mandray anjara amin’ny fahamendrehan’ “ny endrik’Andriamanitra” : tena vatan’olombelona tokoa izy io satria velomin’ ny fanahy maha-olona, ary ny maha-olombelona manontolo no voatokana hanjary ho Tempolin’ny Fanahy …
→
-
365
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Lalina tokoa ny firaisan’ny fanahy sy ny vatana, ka tokony hoheverina hoe “lasitra manome endrika” ny vatana ny fanahy [246] ; izany hoe, noho ny fanahy maha-olona no mahatonga ny vatana izay …
→
-
366
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Ampianarin’ny Fiangonana fa noarìn’Andriamanitra teo no eo avy hatrany ny fanahy maha-olona tsirairay [247] - tsy ny ray aman-dreny no “namorona” azy io - ; ampianariny antsika koa fa tsy mety maty …
→
-
367
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Indraindray, hita fa avahana amin’ny aina ny fanahy. Araka izany no ivavahan’i Md Paoly mba ho voatahiry tsy hanan-tsiny ho amin’ny Fahatongavan’ny Tompo avokoa “ny fisian-tenantsika manontolo, ny fanahintsika, ny aintsika ary …
→
-
368
II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Ny lovam-pampianarana ara-panahy ny Fiangonana dia manantitrantitra koa momba ny fo , araka ny hevitra ao amin’ny Baiboly hoe “aty fanahy” (Jer 31,33) izay entin’ny olona manapa-kevitra ho an’Andriamanitra na tsia [252] …
→
-
369
Fitoviana sy faha-samy hafa sitrak’Andriamanitra
Noarìna ny lehilahy sy ny vehivavy, izany hoe sitrak’Andriamanitra izy ireo : etsy an-daniny, ao anatin’ny fitoviana tanteraka amin’ny maha-samy olombelona azy, ary etsy an-kilany amin’ny maha-samy hafa ny fisian-tenany maha-lehilahy azy …
→
-
370
Fitoviana sy faha-samy hafa sitrak’Andriamanitra
Tsy mitovy velively amin’ny endrik’olombelona Andriamanitra. Sady tsy lehilahy Izy no tsy vehivavy. Fanahy madio mangarangarana Andriamanitra, ka tsy misy iavahan’ny maha-lahy sy maha-vavy ao Aminy. Nefa ny : “fahalavorarian’ ” ny …
→
-
371
“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”
Tian’Andriamanitra hifameno sy hifanampy ny lehilahy sy ny vehivavy, noho izy ireo noarìna miaraka . Ny Tenin’Andriamanitra no ahenointsika izany amin’ny alalan’ny andalana samihafa ao amin’ny lahatsoratra masina : “Tsy tsara raha …
→
-
372
“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”
Natao “ho iray ho an’ny iray hafa” ny lehilahy sy ny vehivavy : tsy hoe “antsasany” sy “tsy feno” no nanaovan’Andriamanitra azy ireo ; noarìny izy ireo ho amin’ny fiombonan’olona, ka amin’izay …
→
-
373
“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”
Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra, dia voantso “hizaka” ny tany [259] ny lehilahy sy ny vehivavy, fa “mpitandrim-panan’ ” Andriamanitra. Tsy tokony hanaovana didy jadona sy handravana efa izany fahefana ambony indrindra izany. Noho …
→
-
374
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Tsy hoe noarìna ho tsara fotsiny ny olombelona voalohany, fa natambatra ao anatin’ny fisakaizana amin’ny Mpahary azy sy ao anatin’ny firindra amin’ny tenany ihany sy amin’ny zavaboary manodidina azy, ka ny voninahitry …
→
-
375
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Ny Fiangonana, amin’ny fanazavana marina ny fanehoana an’ohatra ny fiteny ara-baiboly araka ny Testamenta Vaovao sy ny Lovam-pampianarana, dia mampianatra fa tao anatin’ny toe-“pahamasinana amam-pahamarinana hatrany am-piandohana” [260] no namoronana an’i Adama …
→
-
376
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Amin’ny fisandrahak’io fahasoavana io no manamafy amin’ny lafiny manontolo ny fiainan’ny olombelona. Tsy voatery ho maty [262] na mijaly sy ory [263] ny olombelona, raha mbola nitoetra tao anatin’ny fifandraisana am-po lalina …
→
-
377
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Ny “fizakana” an’izao tontolo izao izay nomen’Andriamanitra ny olombelona hatrany am-piandohana, dia tanteraka tokoa aloha, tao amin’ny tenan’ny olombelona ihany, ho fifehezany ny tenany . Nadio tsy nisy pentina sady nilamina tamin’ny …
→
-
378
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Famantarana ny fifankahazarana amin’Andriamanitra, ny nametrahany ny olombelona tao an-jaridaina [266] . Niaina tao ny olombelona “mba hiasa ny tany sy hiambina azy” (Jen 2,15) : tsy sazy ny asa [267] , …
→
-
379
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Izany firindra manontolo ny fahalavorariana hatrany am-piandohana izany, izay notsinjovina ho an’ny olombelona araka ny fandaharan’Andriamanitra, no ho very amin’ny fahotan’ireo voalohan-dray aman-drenintsika. FAMINTINANA
→
-
380
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
“ Andriamanitra ô, nataonao mitovy endrika Aminao ny olombelona, ary nankininao taminy ny fikarakarana an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hanjakany amin’ny voary rehetra, eo am-panompoana Anao, Mpahary azy ” [268] .
→