Fitoviana sy faha-samy hafa sitrak’Andriamanitra
Laharana 369 amin’ny Katesizy
Noarìna ny lehilahy sy ny vehivavy, izany hoe sitrak’Andriamanitra izy ireo : etsy an-daniny, ao anatin’ny fitoviana tanteraka amin’ny maha-samy olombelona azy, ary etsy an-kilany amin’ny maha-samy hafa ny fisian-tenany maha-lehilahy azy sy ny fisian-tenany maha-vehivavy azy avy. Fisiana tsara sy ankasitrahan’Andriamanitra ny “ho lehilahy” na “ho vehivavy” : manana ny fahamendrehana tsy mety foanana ny lehilahy sy ny vehivavy, izay azon’ izy ireo teo no eo avy hatrany tamin’Andriamanitra mpahary azy ireo[253]. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” ny lehilahy sy ny vehivavy, ka mitovy hasina. Maneho tara-pahendrena amam-pahatsaran’ny Mpahary izy ireo ao amin’ny “fisian-tenany maha-lehilahy” azy ireo sy ao amin’ny “fisian-tenany maha-vehivavy” azy ireo.