“Ny iray ho an’ny iray hafa” – “firaisan’ny roa”
Laharana 371 amin’ny Katesizy
Tian’Andriamanitra hifameno sy hifanampy ny lehilahy sy ny vehivavy, noho izy ireo noarìna miaraka. Ny Tenin’Andriamanitra no ahenointsika izany amin’ny alalan’ny andalana samihafa ao amin’ny lahatsoratra masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy ; koa ilaina ny hanaovako mpanampy azy mitovy aminy” (Jen 2,18). Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo biby mety ho io “tandrify” ny lehilahy io[256]. Ny vehivavy izay “namboarin”’Andriamanitra avy tamin’ny taolan-tehezana nosintoniny tao amin’ny lehilahy sy nentiny teo amin’ny lehilahy, no nahatonga ny lehilahy ho nanao hiakam-pigagana, hiakam-pitiavana amam-piombonana hoe : “Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko” (Jen 2,23). Hitan’ny lehilahy ho “izaho” hafa ny vehivavy, amin’ny maha-samy olombelona mitovy ihany.