Fitoviana sy faha-samy hafa sitrak’Andriamanitra
Laharana 370 amin’ny Katesizy
Tsy mitovy velively amin’ny endrik’olombelona Andriamanitra. Sady tsy lehilahy Izy no tsy vehivavy. Fanahy madio mangarangarana Andriamanitra, ka tsy misy iavahan’ny maha-lahy sy maha-vavy ao Aminy. Nefa ny : “fahalavorarian’ ” ny lehilahy sy ny vehivavy dia mampiseho taratra ny zavatra tsy manam-petra amin’ny fahalavorarian’Andriamanitra : fahalavorarian’ny reny[254] sy ny an’ny ray ary ny an’ny mpivady[255].