II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Laharana 365 amin’ny Katesizy
Lalina tokoa ny firaisan’ny fanahy sy ny vatana, ka tokony hoheverina hoe “lasitra manome endrika” ny vatana ny fanahy[246] ; izany hoe, noho ny fanahy maha-olona no mahatonga ny vatana izay avy amin’ny foto-javatra ho vatan’ olona sy velona ; ny fanahy sy ny foto-javatra, ao amin’ny olombelona, dia tsy zavaboary anankiroa natambatra tsy akory, fa ny firaisan’izy ireo no mirafitra ho zavaboary tokana ihany.