II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Laharana 363 amin’ny Katesizy
Matetika, ny teny hoe fanahy ao amin’ny Soratra Masina dia milaza ny ain’olombelona[240] na ny maha-olombelona manontolo[241]. Nefa milaza koa, izay tena lalina indrindra ao amin’ny olombelona[242] sy izay tena sarobidy indrindra ao aminy[243], ka avy amin’izany no maha-endrik’Andriamanitra azy manokana: “fanahy”, midika hoe: ny foto-pisiana maha-fanahy ao amin’ny olombelona.