IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Laharana 376 amin’ny Katesizy
Amin’ny fisandrahak’io fahasoavana io no manamafy amin’ny lafiny manontolo ny fiainan’ny olombelona. Tsy voatery ho maty[262] na mijaly sy ory[263] ny olombelona, raha mbola nitoetra tao anatin’ny fifandraisana am-po lalina tamin’Andriamanitra izy. Ny firindram-piainana anatin’ny olombelona, ny firindram-piainana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy[264], ary farany, ny firindram-piainana teo amin’ny mpivady voalohany sy ny zavaboary manontolo, no nitambatra ho toetra antsoina hoe “fahalavorariana hatrany am-piandohana”.