II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Laharana 366 amin’ny Katesizy
Ampianarin’ny Fiangonana fa noarìn’Andriamanitra teo no eo avy hatrany ny fanahy maha-olona tsirairay[247] - tsy ny ray aman-dreny no “namorona” azy io - ; ampianariny antsika koa fa tsy mety maty izy io[248] : tsy levona izy na misaraka amin’ny vatana aza izy amin’ny fahafatesana, ary hakambana indray amin’ny vatana izay hatsangan-ko velona amin’ny farandro.