Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 341 II. Ny tontolo hita maso Ny hatsaran’ny tontolon’ny zava-drehetra : Ny filaminana sy ny firindran’ ny tontolo noarìna dia vokatry ny faha-samihafa ny zavaboary sy ny fifandraisana misy amin’izy ireo samy izy ireo. Tsapan’ny olona miandalana amin’izany …
  2. 342 II. Ny tontolo hita maso Ny ambaratongan’ny zavaboary dia voambara araka ny filaharan’ny “andro enina”, izay miainga avy amin’ny kely fahalavorariana ary mipaka amin’ny be fahalavorariana. Tian’Andriamanitra ny zavaboariny rehetra [221] , ary karakarainy fatratra ny tsirairay, …
  3. 343 II. Ny tontolo hita maso Ny olombelona no tampony amin’ny tsanganasa fahariana. Ny tantara avy amin’ny fitsilovan’Andriamanitra, dia mampiseho izany amin’ny fanavahana mazava tsara ny fahariana ny olombelona amin’ny an’ny zavaboary hafa rehetra [222] .
  4. 344 II. Ny tontolo hita maso Misy fifarimbonana eo amin’ny voary rehetra noho izy ireo manana Mpahary iray ihany, sy noho izy rehetra nalahatra ho amin’ny voninahiny : Ho deraina anie Ianao, ry Tompo, amin’ny voarinao rehetra indrindra …
  5. 345 II. Ny tontolo hita maso Ny Sabata – fahavitan’ny tsanganasa tanatin’ny “henemana” . Lazain’ny lahatsoratra masina fa “ vitan’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito ny asa nataony” ary toy izany “no nahavitan’ny lanitra sy ny tany”, ka tamin’ny andro …
  6. 346 II. Ny tontolo hita maso Tamin’ny fahariana Andriamanitra dia nametraka fototra sy lalàna izay maharitra ho mafy orina [224] , ka eo ambonin’izany no hahafahan’ny mpino miankina amim-pitokiana, ary ho famantarana sy ho antoky ny fahamarinan’ ny …
  7. 347 II. Ny tontolo hita maso Novitaina mba ho amin’ny Sabata ny fahariana, ka noho izany ho amin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitsaohana an’Andriamanitra. Voasoratra araka ny lalànan’ny fahariana [226] ny fanompoam-pivavahana. “Aoka tsy hisy na inona na inona …
  8. 348 II. Ny tontolo hita maso Votoatin’ny lalànan’i Israely ny Sabata. Ny mitandrina ny didy, dia tsy inona fa ny mifandray amin’ny fahendrena sy amin’ny sitrapon’Andriamanitra miseho amin’ny tsanganasa fahariany.
  9. 349 II. Ny tontolo hita maso Ny andro fahavalo . Fa ho antsika, andro iray vaovao no niposaka : ilay andro Nitsanganan’i Kristy ho velona. Ny andro fahafito no mamarana ny fahariana voalohany. Ny andro fahavalo no anombohan’ny …
  10. 350 II. Ny tontolo hita maso .Ny anjely dia zavaboary fanahy izay manome voninahitra an’Andriamanitra tsy an-kijanona, ary manatanteraka ny fandaharany amin’ny zavaboary hafa : “ Ny anjely dia mandray anjara amin’izay rehetra soa sy tsara ho antsika …
  11. 351 II. Ny tontolo hita maso Manotrona an’i Kristy Tompony ny anjely. Manampy Azy manokana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny fanirahana maha-mpamonjy ny olombelona Azy.
  12. 352 II. Ny tontolo hita maso Ny Fiangonana dia manaja ny anjely, izay manampy azy amin’ny fivahiniany ety an-tany, sy miaro ny olombelona rehetra.
  13. 353 II. Ny tontolo hita maso Sitrak’Andriamanitra ny maha-samihafa ny zavaboariny sy ny fahatsaran’izy ireo manokana avy, ny fifampiankinan’izy ireo sy ny filaminan’izy ireo. Natokany ho fanasoavana ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny zavaboary rehetra tsy manam-panahy. Ny …
  14. 354 II. Ny tontolo hita maso . Ny manaja ny lalàna voasoratra ao amin’ny fahariana sy ny fifandraisana izay avy amin'ny toetra voa-Janahary ny zavatra rehetra, no fiandoham-pahendrena sy fototry ny môraly.
  15. 355 Paragrafy 6. Ny olombelona “Andriamanitra nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy, mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lehilahy sy vehivavy izy ireo” (Jen 1,27). Mitana toerana manokana eo amin’ny fahariana, ny olombelona : “mitovy …
  16. 356 I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” Amin’ny zavaboary rehetra hita maso, ny olombelona irery no “afaka mahalala sy mitia ny Mpahary azy” [230] ; izy no “hany zavaboary eto an-tany izay sitrak’Andriamanitra ho azy tenany ihany” [231] ; …
  17. 357 I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” Noho ny olombelona tsirairay mitovy endrika amin’Andriamanitra, dia manana ny fahamendrehana maha-olona azy izy : tsy zavatra fotsiny izy fa olona. Afaka mahalala ny tenany izy, afaka mifehy ny tenany sy manolotra …
  18. 358 I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” Noarìn’Andriamanitra ho an’ny olombelona [233] ny zavatra rehetra, kanefa ny olombelona noarìny mba hanompo sy ho tia Azy ary hanolotra Aminy ny voary manontolo : Inona àry no zavaboary nampisianao ka henin-kaja …
  19. 359 I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” “Ny tena marina, ao amin’ny misterin’ny Teny tonga nofo ihany no mihamazava tokoa ny misterin’ny olombelona” [235] : Mampianatra antsika i Md Paoly fa olona roa no fiandohan’ny taranak’ olombelona rehetra tsy …
  20. 360 I. “Mitovy endrika amin’Andriamanitra” Noho ny fiombonana hatrany am-piandohana, dia miforona ho iray ny taranak’olombelona rehetra . Satria Andriamanitra “namoaka avy amin’ny fototra iray ny taranak’olombelona rehetra” (Asa 17,26) [237] : Fahitana mahatalanjona no mahatonga antsika …