II. “Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ny olombelona”
Laharana 367 amin’ny Katesizy
Indraindray, hita fa avahana amin’ny aina ny fanahy. Araka izany no ivavahan’i Md Paoly mba ho voatahiry tsy hanan-tsiny ho amin’ny Fahatongavan’ny Tompo avokoa “ny fisian-tenantsika manontolo, ny fanahintsika, ny aintsika ary ny vatantsika” (1 Tes 5,23). Ampianarin’ny Fiangonana fa izany fiavahana izany dia tsy mampiditra fisian-java-droa mifanohitra ao amin’ny aina tsy akory[249]. Ny hoe “fanahy” dia midika fa ny olombelona dia voatokana hatrany am-pahariana azy ho amin’ny tanjom-piafaràny mihoatra ny natoraly[250], ary ny ainy dia afaka hisondrotra maimaim-poana ho amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra[251].