IV. Ny olombelona tao am-Paradisa

Laharana 375 amin’ny Katesizy

Ny Fiangonana, amin’ny fanazavana marina ny fanehoana an’ohatra ny fiteny ara-baiboly araka ny Testamenta Vaovao sy ny Lovam-pampianarana, dia mampianatra fa tao anatin’ny toe-“pahamasinana amam-pahamarinana hatrany am-piandohana”[260] no namoronana an’i Adama sy i Eva voalohan-dray aman-drenintsika. Fiombonana anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra izany fahasoavam-pahamasinana hatrany am-piandohana izany[261].

Loharano ôfisialy ↗