Fiangonana
Laharana 123
- 748 “Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika” “I Kristy no fahazavan’ny firenena rehetra : ny Kônsily masina, mivory ao amin’ny Fanahy Masina izany, dia mirary fatratra, eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafalin’ny Evanjely amin’ny voary manontolo, hanapariaka eo amin’ny olombelona …
- 749 “Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika” Ny andalana momba ny Fiangonana dia miankina tanteraka koa amin’ny an’ny Fanahy Masina izay mialoha azy. “Satria, rahefa voaseho fa ny Fanahy Masina no loharano sy mpanome ny fahamasinana manontolo, dia ambaranay …
- 750 “Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika” Ny mino fa ny Fiangonana dia “Masina” sy “Katôlika” ary izy dia “Iray” sy “Apôstôlika” (araka ny nanampian’ny Sembolin’i Nicée-Constantinople izany) dia tsy azo sarahina amin’ny finoana an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy …
- 751 I. Ny anarana sy ny sary an’ohatra ny Fiangonana Ny teny hoe “Eglizy (Fiangonana)” [ ekklèsia , avy amin’ny teny grika hoe ek-kalein , “miantso ny any ivelany”], dia midika hoe “fiantsoana hivory”. Teny ilazana ny famoriam-bahoaka [120] , izay ankapobeny …
- 752 I. Ny anarana sy ny sary an’ohatra ny Fiangonana Amin’ny fiteny kristianina, ny teny hoe “Fiangonana” dia ilazana ny fiaraha-miangon’ireo mpino amin’ny litorzia [122] , nefa ilazana koa ny ankohonam-piangonan’ireo mpino eo an-toerana [123] na ny ankohonam-piangonan’ireo mpino manerana ny tany …
- 753 Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana Ahitantsika sary an’ohatra sy tandindona maro be mifandray amin’izy samy izy, ao amin’ny Soratra Masina, izay amin’ny alalan’ireny ny fanambaràna no miteny ny mistery tovozin-tsy ritra momba ny Fiangonana. Ireo sary an’ohatra …
- 754 Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana Ny Fiangonana, araka izany, dia valan’ondry , ka i Kristy no vavahady tokana sy tsy maintsy hidirana [128] . Ny Fiangonana koa dia andian’ondry izay Andriamanitra ihany no nanambara mialoha fa Izy …
- 755 Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana Ny Fiangonana dia tany fambolena , sahan’Andriamanitra (1 Kôr 3,9). Ao amin’io saha io no anirian’ny fototr’oliva tranainy izay ny patriarka no fakany masina ary amin’izany no miseho sy hiseho ny fampihavanana …
- 756 Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana Matetika ihany koa, ny Fiangonana dia lazaina hoe trano aorin’ Andriamanitra [135] . Izy Tompo ihany no nampitaha ny Tenany tamin’ny vato narian’ny mpanorin-trano fa tonga vato fehizoro (Mt 21,42 // ; …
- 757 Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana Ny Fiangonana dia mbola antsoina hoe “ilay Jerosalema avy any ambony” sy “renintsika” (Gal 4,26) [142] ; nosoritsoritana fa izy dia toy ny vady madio tsy misy pentina an’ny Zanak’Ondry madio tsy …
- 758 II. Fiandohana, fanorenana ary fanirahana ny Fiangonana Mba hamakafakana lalina ny misterin’ny Fiangonana, dia mety aloha ny mandinika ny fiandohany ao amin’ny fandaharan’ny Trinite Masina Indrindra sy ny fahatanterahany miandalana teo amin’ny tantara.
- 759 Fandaharana teraka tao am-pon’ny Ray “Ny Ray Mandrakizay, tamin’ny alalan’ny fampiasana tanteraka an-kalalahana sy mifono mistery ny fahendreny sy ny hatsarany, dia nahary an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao ; nanapa-kevitra Izy ny hanandratra ny olombelona ho amin’ny fiombonana …
- 760 Ny Fiangonana – nambara an-tsary mialoha hatramin’ny fiandohan’ izao tontolo izao “Noarìna izao tontolo izao mba ho an’ny Fiangonana”, hoy ny kristianina tany am-boalohany [146] . Nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra mba ho amin’ny fiombonana amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra, fiombonana izay tanteraka amin’ny alalan’ny …
- 761 Ny Fiangonana - nomanina tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Ny fanangonana ny Vahoakan’Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fotoana izay nandravan’ny fahotana ny fiombonan’ny olombelona tamin’ Andriamanitra sy ny an’ny olombelona samy olombelona. Ny famoriana ny Fiangonana izany dia azo lazaina hoe valy …
- 762 Ny Fiangonana - nomanina tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Ny fanomanana lavitr’ezaka amin’ny fanangonana ny Vahoakan’ Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fiantsoana an’i Abrahama izay nampanantenain’Andriamanitra fa ho tonga rain’ny firenena lehibe iray izy [150] . Ny fanomanana antomotra dia nanomboka tamin’ny …
- 763 Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa Anjaran’ny Zanaka, tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no nanatanteraka ny drafi-pamonjena nosoritan’ny Rainy ; izay no anton’ny “fanirahana” [156] Azy. “Ny Tompo Jesoa dia nanorina ny fanombohan’ny Fiangonany tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fahatongavan’ny …
- 764 Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa “Mamirapiratra eo imason’ny olombelona amin’ny teny, ny tsanganasa ary ny maha-eo an’i Kristy, io Fanjakana io” [159] . Ny mandray ny tenin’i Jesoa dia “ny mandray ny Fanjakana mihitsy” [160] . Ny …
- 765 Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa Nasian’i Jesoa Tompo rafitra izay haharitra mandra-pahatanteraka manontolo ny Fanjakan’ny lanitra ny ankohonam-piangonany. Ny fifidianana ny Roa ambin’ny folo, izay i Piera no ho filohan’izy ireo, no voalohany amin’izany [164] . Noho …
- 766 Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa Ny Fiangonana anefa, dia teraka indrindra tamin’ny fanoloran-tenan’i Kristy manontolo ho amin’ny famonjena antsika, nataony mialoha tamin’ny fanorenana ny Eokaristia ary tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. “Ny fanombohana sy ny fitomboan’ny Fiangonana dia …
- 767 Ny Fiangonana – nahariharin’ny Fanahy Masina “Vantany vao tontosa ny tsanganasa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany hotanterahina eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana” [173] . Tamin’izany no …
- 768 Ny Fiangonana – nahariharin’ny Fanahy Masina Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Fiangonana, dia ny Fanahy Masina no “mampitao sy mitari-dalana azy amin’ny alalan’ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana” [176] . “Koa ny Fiangonana, voavatsy …
- 769 Ny Fiangonana – fanaperana ao amin’ny voninahitra “Ny Fiangonana (…) dia tsy hanana ny fahalavorariany raha tsy ao amin’ ny voninahitra any an-danitra” [178] , amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra. Mandra-pahatonga an’io andro io, “mizotra amin’ny fivahiniany eny am-pamakivakiana ny …
- 770 III. Ny misterin’ny Fiangonana Sady ao anatin’ny tantara no mihoatra ambony dia ambony ivelan’ny tantaran ny Fiangonana. Amin’ny “masom-pinoana” [183] irery no ahafahana mahita eo aminy ny fisiany hita maso sady amin’ny fisiana ara-panahy koa, mpitondra …
- 771 Ny Fiangonana – sady hita maso no ara-panahy “I Kristy, hany Mpanelanelana, no manorina sy manohana tsy an-kijanona ny Fiangonany masina, izay fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana, eto an-tany, mova tsy zavatra hita maso ka amin’ny alalan’izany Izy no mampiely ho …
- 772 Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra Ao amin’ny Fiangonana i Kristy no manatanteraka sy manambara ny misterin’ny Tenany ho tarigetran’ny fandaharan’Andriamanitra : “ny hamondrona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efez 1,10). Antsoin’i Md Paoly hoe: …
- 773 Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra Ao amin’ny Fiangonana, io fiombonan’ny olombelona amin’ Andriamanitra amin’ny “fitiavana izay tsy hanam-pahataperana” (1 Kôr 13,8) io no tanjom-piafaràna mibaiko an’izay rehetra fitaovana ara-tsakramenta ao aminy, mifandray amin’izao tontolo izao mora levona …
- 774 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Ny teny grika hoe mysterion dia nadika ho teny latinina tamin’ireto teny anankiroa ireto : mysterium sy sacramentum . Amin’ny fanazavan-teny taty aoriana, ny teny hoe sacramentum dia ilazana bebe kokoa ny …
- 775 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Ny Fiangonana, ao amin’i Kristy, dia toy ny sakramenta, izany hoe sady famantarana no fitaovan’ny firaisana lalina amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra” [194] : Ho sakramentan’ny firaisana lalin’ny olombelona amin’Andriamanitra : …
- 776 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Fitaovan’i Kristy ny Fiangonana, amin’ny maha-sakramenta azy. “Izy no fitaovam-Panavotana ny olombelona rehetra, eo am-pelatanan’i Kristy” [195] , “sakramentam-pamonjena ny daholobe” [196] , izay amin’izany no “ampisehoan’i Kristy sy ampiharany amin’ny ankehitriny …
- 777 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe . Ny teny hoe “ Eglizy ” ( Fiangonana ) dia midika hoe “ fiantsoana hivory ” . Teny ilazana ny famoriana an’ireo izay antsoin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanjary Vahoakan’Andriamanitra, sy velomin’ny Vatan’i …