Ny Fiangonana – nahariharin’ny Fanahy Masina

Laharana 767 amin’ny Katesizy

“Vantany vao tontosa ny tsanganasa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany hotanterahina eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana”[173]. Tamin’izany no “nisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso teo anatrehan’ny vahoaka be dia be sy nanombohan’ny fampielezana ny Evanjely niaraka tamin’ny fitorian-teny”[174]. Noho izy “fiantsoana” ny olombelona rehetra ho amin’ny famonjena, dia misiônera irahin’i Kristy  ho any amin’ny firenena rehetra  ny Fiangonana, amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, mba hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra[175].

Loharano ôfisialy ↗