“Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika”
Laharana 748 amin’ny Katesizy
“I Kristy no fahazavan’ny firenena rehetra : ny Kônsily masina, mivory ao amin’ny Fanahy Masina izany, dia mirary fatratra, eo am-pitoriana ny Vaovao Mahafalin’ny Evanjely amin’ny voary manontolo, hanapariaka eo amin’ny olombelona rehetra ny hazavan’i Kristy izay mamirapiratra eo amin’ny endriky ny Fiangonana”[116]. Ireo teny ireo no nanokafan’ny Kônsily faharoa tao Vatikana ny “foto-pampianarana momba ny Fiangonana”. Amin’ izany ny Kônsily no mampiseho, fa ny andalan-tenim-pinoana momba ny Fiangonana dia miankina manontolo amin’ireo an-dalan-teny momba an’i Kristy Jesoa. Tsy manana fahazavana hafa ny Fiangonana, afa-tsy ny an’i Kristy ; izy, araka ny sary an’ohatra mamin’ireo Aban’ny Fiangonana, dia azo oharina amin’ny volana izay ny fahazavany rehetra dia avy amin’ny taratry ny masoandro.