Ny Fiangonana - nomanina tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Laharana 762 amin’ny Katesizy
Ny fanomanana lavitr’ezaka amin’ny fanangonana ny Vahoakan’ Andriamanitra dia nanomboka tamin’ny fiantsoana an’i Abrahama izay nampanantenain’Andriamanitra fa ho tonga rain’ny firenena lehibe iray izy[150]. Ny fanomanana antomotra dia nanomboka tamin’ny fifidianana an’i Israely ho Vahoakan’Andriamanitra[151]. Tamin’ny fifidianana azy, i Israely no tokony ho famantarana ny fanangonana ny firenen-drehetra rahatrizay[152]. Kanefa dia efa nampangain’ireo mpaminany sahady i Israely fa nandrava ny fanekem-pihavanana sy nitondra tena toy ny vehivavy mpivaro-tena[153]. Nanambara Fanekem-pihavanana Vaovao sy Mandrakizay izy ireo[154]. “Io Fanekem-pihavanana Vaovao io, i Kristy no nanorina izany”[155].