Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra

Laharana 773 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny Fiangonana, io fiombonan’ny olombelona amin’ Andriamanitra amin’ny “fitiavana izay tsy hanam-pahataperana” (1 Kôr 13,8) io no tanjom-piafaràna mibaiko an’izay rehetra fitaovana ara-tsakramenta ao aminy, mifandray amin’izao tontolo izao mora levona[189]. “Narindra manontolo amin’ny fahamasinan’ireo rantsambatan’i Kristy ny firafiny. Ary ny fahamasinana no anombanana ny fiasan’ “ilay mistery lehibe” izay amalian’ ny Ampakarina amin’ny alalan’ny fanomezam-pitiavana ny fanomezan’ny Mpampakatra”[190]. Nialoha lalana antsika rehetra i Maria, amin’ny fahamasinana izay misterin’ny Fiangonana tahaka ilay Ampakarina tsy misy panda na ketrona[191]. Izany no mahatonga “ny halehiben’ny toerana momba an’i Maria ao amin’ny Fiangonana ho mialoha ny halehiben’ny toerana momba an’i Piera”[192].

Loharano ôfisialy ↗