← Lohahevitra rehetra

Fiangonana

Laharana 123

  1. 778 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Ny Fiangonana dia sady lalana no tanjon’ny fandaharan’ Andriamanitra : nambara an-tsary mialoha tamin’ny fahariana, nomanina tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, naorina tamin’ny teny sy ny asan’i Jesoa-Kristy, notanterahina tamin’ny Hazofijaliam-panavotany sy ny …
  2. 779 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Ny Fiangonana dia sady hita maso no ara-panahy, sady fikambanana mirafitra amin’ny ambaratongam-pitondrana no Vatana-Mistikan’i Kristy. Tokana izy, noforonina amin’ny singafototra roa, dia ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra. Izany no misteriny, izay …
  3. 780 Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe Ny Fiangonana, eto amin’ity tontolo ity, no sakramentam-pamonjena, famantarana sy fitaovana amin’ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olombelona .
  4. 781 I. Ny Fiangonana - Vahoakan’Andriamanitra “Marina fa, amin’ny fotoana rehetra, sy amin’ny firenena rehetra, na iza na iza matahotra an’Andriamanitra sy manao ny marina dia ankasitrahany. Kanefa, tsy ny samy maka ho azy, ivelan’ny fifamatorana rehetra, no …
  5. 782 Ny toetra mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra Ny Vahoakan’Andriamanitra dia manana toetra mampiavaka azy mazava tsara amin’ireo fikambanana rehetra ara-pivavahana, ara-poko, ara-pôlitika na ara-kolontsaina eo amin’ny tantara : - Vahoakan’ Andriamanitra izy : tsy misy vahoaka na iray aza, …
  6. 783 Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka. I Jesoa-Kristy no Ilay nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”. Mandray anjara amin’ ireo raharaha telo an’i Kristy ireo, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, ary mizaka ny fiandraiketana …
  7. 784 Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka. Rahefa miditra ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy ny olona, dia mandray anjara amin’ny fiantsoana tokan’io Vahoaka io : amin’ny fiantsoana azy ho mpisorona : “I Kristy Tompo, Mpisorombe …
  8. 785 Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka. “Mandray anjara koa amin’ny asa maha-mpaminany an’i Kristy ny Vahoaka masin’Andriamanitra”. Manjary izany izy, indrindra amin’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’olombelona izay an’ny Vahoaka manontolo, lahika sy mpitondra isan’ambaratonga, rahefa “mifikitra maharitra …
  9. 786 Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka. Farany, mandray anjara amin’ny asa maha- mpanjaka an’i Kristy, ny Vahoakan’Andriamanitra. Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany …
  10. 787 Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana Efa hatrany am-boalohany i Jesoa no nampandray anjara an’ireo mpianany tamin’ny fiainany [214] ; nambarany azy ireo ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra [215] ; nomeny anjara tamin’ny fanirahana Azy, tamin’ny hafaliany [216] ary …
  11. 788 Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana Nony nesorina teo amin’ireo mpianany ny fahitana maso an’i Jesoa, dia tsy namela azy ireo ho kamboty Izy [218] . Nampanantena azy ireo Izy fa hitoetra miaraka amin’izy ireo ambara-pahatonga ny farandro …
  12. 789 Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana Ny fampitahana ny Fiangonana amin’ny vatana dia mamoaka hazavana ny amin’ny fifamatorana mafy misy eo amin’ny Fiangonana sy i Kristy. Tsy miangona fotsiny manodidina Azy ny Fiangonana ; nampiraisiny Aminy , ao …
  13. 790 Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana Ny mpino izay manoina ny Tenin’Andriamanitra sy tonga rantsambatan’i Vatan’i Kristy, dia manjary miray tanteraka amin’i Kristy : “Ao amin’izany vatana izany ny ain’i Kristy no mikoriana ao amin’ny mpino izay ampiraisin’ny …
  14. 791 Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana Tsy manafoana ny maha-samihafa ny rantsambatana, ny maha-iray ny vatana : “Amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy dia misy ny maha-samihafa ny rantsambatana sy ny anjara raharahany. Tokana ny Fanahy izay mizarazara ny …
  15. 792 “Amin’io Vatana io, iKristy no Loha” I Kristy “no Lohan’ny Vatana izay ny Fiangonana” (Kôl 1,18). Izy no Fototry ny fahariana sy ny fanavotana. Nasandratra ao amin’ny Voninahitry ny Ray, “Izy no Loha amin’ny zavatra rehetra” (Kôl 1,18), …
  16. 793 “Amin’io Vatana io, iKristy no Loha” Izy no mampiray antsika amin’ny Pakany : tsy maintsy miezaka hanahaka Azy ny rantsambatana rehetra “mandra-pahary an’i Kristy” ao amin’izy ireo (Gal 4,19). “Amin’izany tarigetra izany no ahatafidirantsika ao amin’ny misterin’ny fiainany, …
  17. 794 “Amin’io Vatana io, iKristy no Loha” Izy no mitsinjo ny fitomboantsika [228] : Mba hampitombo antsika mankany Aminy, Lohantsika [229] , dia nalamin’i Kristy ao amin’ny Fiangonana - Vatany, ireo fanomezana sy ireo fanompoana ifanampiantsika eny an-dàlam-pamonjena.
  18. 795 “Amin’io Vatana io, iKristy no Loha” I Kristy sy ny Fiangonana àry no “ Kristy manontolo ” ( Christus totus ). Iray ny Fiangonana miaraka amin’i Kristy. Tena tsapan’ny olomasina ao an’ eritreriny ao tokoa io firaisana io …
  19. 796 Vady ampakarin’i Kristy ny Fiangonana Ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana, Loha sy rantsambatan’ny Vatana, dia milaza tsy mivantana koa ny fiavahan’ny roa tonta eo amin’ny fifandraisan’ ny tsirairay. Izany endrika izany matetika dia aseho amin’ny sary …
  20. 797 III. Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina “Toy ny maha-ao amin’ny rantsambatantsika ny fanahintsika, izany hoe ny aintsika no tiako hambara, no maha-ao amin’ny rantsambatan’i Kristy, ao amin’ny Vatan’i Kristy, izany hoe ny Fiangonana no tiako hambara, ny Fanahy …
  21. 798 III. Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina Ny Fanahy Masina no “Fototry ny asa manontolo iankinan’ny aina sy tena mahavonjy tokoa ny tsirairay amin’ny faritra samihafa amin’ny Vatana” [244] . Fomba maro no andrafetany ny Vatana manontolo ao anatin’ny …
  22. 799 Ireo fanomezam-pahasoavana Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Fiangonana, amin’ny …
  23. 800 Ireo fanomezam-pahasoavana Ireo fanomezam-pahasoavana dia raisina miaraka amin’ny faneken’izay mandray izany, nefa koa amin’ny rantsambatan’ny Fiangonana rehetra. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i …
  24. 801 Ireo fanomezam-pahasoavana Asehon’izany lafin-kevitra izany fa ilaina lalandava ny fahaiza-mandanjalanja momba ny fanomezam-pahasoavana. Tsy misy fanomezam-pahasoavana na iray aza afaka tsy mandalo eo ambany filan-kevitry ny manam-pahefana sy ny fankatoavan’ny Mpitondra Fiangonana. “Izy ireo …
  25. 802 Ireo fanomezam-pahasoavana “ Nanolo-tena ho antsika i Jesoa-Kristy, mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy hanadio ny Vahoaka izay natao ho Azy tokoa ” (Tito 2,14).
  26. 803 Ireo fanomezam-pahasoavana “ Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, Vahoaka navotana ” (1 Pi 2,9).
  27. 804 Ireo fanomezam-pahasoavana Amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy no idirana ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra. “ Ny olombelona rehetra no antsoina ho anisan’ny Vahoakan’Andriamanitra ” [252] , mba “ hiforona ho fianakaviana tokana sy ho Vahoaka …
  28. 805 Ireo fanomezam-pahasoavana Vatan’i Kristy ny Fiangonana. Noho ny Fanahy Masina sy ny asany ao amin’ny sakramenta, fa indrindra ny Eokaristia, dia manorina ny fiombonan’ny mpino ho Vatany i Kristy maty sy nitsangan-ko velona.
  29. 806 Ireo fanomezam-pahasoavana Ao amin’ny maha-iray io Vatana io, dia maro samihafa ny rantsambatana sy ny anjara asa. Mifamatotra amin’ny rantsambatana ny samy rantsambatana rehetra, indrindra amin’ireo izay mijaly, ireo mahantra ary ireo enjehina.
  30. 807 Ireo fanomezam-pahasoavana Ny Fiangonana io Vatana io, izay i Kristy no Loha : avy Aminy sy ao Aminy ary ho Azy no ahaveloman’ny Fiangonana ; Izy kosa miaina miaraka amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny …