Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana

Laharana 753 amin’ny Katesizy

Ahitantsika sary an’ohatra sy tandindona maro be mifandray amin’izy samy izy, ao amin’ny Soratra Masina, izay amin’ny alalan’ireny ny fanambaràna no miteny ny mistery tovozin-tsy ritra momba ny Fiangonana. Ireo sary an’ohatra noraisin’ny Testamenta Taloha dia misy fiovaovàna amin’ny votoatin-kevitra iray, dia ny an’ny “Vahoakan’Andriamanitra”. Ao amin’ny Testamenta Vaovao[125], mahita foiben-kevitra anankiray vaovao ireny sary an’ohatra rehetra ireny dia ny amin’i Kristy manjary “Lohan’ ”io vahoaka io[126]ka noho izany dia Vatany. Manodidina izany foiben-kevitra izany no ivondronan’ireo sary an’ohatra “nalaina tamin’ny fiainan’ny mpiandry ondry, na tamin’ny fiainan’ny eny an-tsaha, na tamin’ny asa fanorenan-trano, na tamin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fanambadiana”[127].

Loharano ôfisialy ↗