“Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika”
Laharana 749 amin’ny Katesizy
Ny andalana momba ny Fiangonana dia miankina tanteraka koa amin’ny an’ny Fanahy Masina izay mialoha azy. “Satria, rahefa voaseho fa ny Fanahy Masina no loharano sy mpanome ny fahamasinana manontolo, dia ambaranay ampahibemaso izao fa Izy no manome fahamasinana ny Fiangonana”[117]. Ny Fiangonana, araka ny fomba fitenin’ireo Aban’ny Fiangonana, no toerana “izay iroboroboan’ny Fanahy”[118].