Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa

Laharana 763 amin’ny Katesizy

Anjaran’ny Zanaka, tamin’ny hafenoan’ny fotoana, no nanatanteraka ny drafi-pamonjena nosoritan’ny Rainy ; izay no anton’ny “fanirahana”[156] Azy. “Ny Tompo Jesoa dia nanorina ny fanombohan’ny Fiangonany tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra nampanantenaina tao amin’ny Soratra hatramin’ny taonjato maro”[157]. Mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray, dia hisantatra ny Fanjakan’ny lanitra eto an-tany i Kristy. Ny Fiangonana “no Fanjakan’i Kristy izay efa eo sahady amin’ny fomba mistery”[158].

Loharano ôfisialy ↗