Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana

Laharana 757 amin’ny Katesizy

Ny Fiangonana dia mbola antsoina hoe “ilay Jerosalema avy any ambony” sy “renintsika” (Gal 4,26)[142] ; nosoritsoritana fa izy dia toy ny vady madio tsy misy pentina an’ny Zanak’Ondry madio tsy misy pentina[143]  izay “notiavin’i Kristy, ka nahafoizany ny Tenany mba hanamasina azy’’ (Efez 5,25-26), izay nakambany Taminy tamin’ny fifanekena tsy azo ravana, izay  tsy mitsahatra "velominy sy karakarainy" (Efez 5,29)”[144].

Loharano ôfisialy ↗