Ny Fiangonana – fanaperana ao amin’ny voninahitra

Laharana 769 amin’ny Katesizy

“Ny Fiangonana (…) dia tsy hanana ny fahalavorariany raha tsy ao amin’ ny voninahitra any an-danitra”[178], amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra. Mandra-pahatonga an’io andro io, “mizotra amin’ny fivahiniany eny am-pamakivakiana ny fanenjehan’izao tontolo izao sy ny fanalana alahelo avy amin’Andriamanitra, ny Fiangonana”[179]. Eto an-tany, dia fantany fa sesitany izy, lavitra ny Tompo[180], “ka maniry ny fotoana hahatongavan’ny Fanjakana tena lavorary, izay amin’izany no hiangonany eo amin’ny Mpanjakany, ao amin’ny voninahitra”[181]. Ny fahalavorarian’ny Fiangonana, ary amin’ny alalany, ny an’izao tontolo izao, ao amin’ny voninahitra, dia tsy hanjary raha tsy misy fitsapan-toetra lehibe. Koa “ny olo-marina rehetra ihany hatramin’i Adama, hatramin’i Abela ilay marina ka hatramin’ny olom-pinidy farany no ho tafangona ao amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo eo anilan’ny Ray”[182].

Loharano ôfisialy ↗