← Lohahevitra rehetra

Maria

Laharana 47

  1. 148 Maria – “Sambatra ilay nino” I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk …
  2. 487 II. … naterak’i Maria Virjiny Izay inoan’ny finoana katôlika momba an’i Maria, dia miorina eo ambonin’izay inoany momba an’i Kristy, nefa izay ampianariny ny amin’i Maria, dia manazava kosa indray avy eo ny finoany an’i Kristy.
  3. 488 Ny tendry mialoha ho an’i Maria “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany” (Gal 4,4), nefa mba “hamboarana vatana” [124] ho Azy, dia nila fiaraha-miasa amin-kalalahana tamin’ny zavaboary iray Izy. Noho izany, hatramin’ny mandrakizay, Andriamanitra nifidy, ho Renin’ny Zanany, zanakavavin’i Israely, tovovavy …
  4. 489 Ny tendry mialoha ho an’i Maria Tamin’ny alalan’izay nataon’ireo vehivavy masina, ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha manontolo, no nanomanana ny ho ataon’i Maria. I Eva no tany am-piandohana : na teo aza ny tsy fanekeny, dia nahazo fampanantenana taranaka …
  5. 490 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra ny fanomezana mifanaraka amin’izany asa lehibe tokoa izany” [132] . Ny Anjely Gabriely, tamin’ny fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana” [133] …
  6. 491 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka Nandritra ny taonjato maro ny Fiangonana no nahatsapa tao an-tsainy, fa i Maria “tototra soa” avy amin’Andriamanitra [134] , dia voavotra nanomboka hatramin’ny nahatorontoronina azy. Izany no nanambaràna ampahibemaso ny teny finoana …
  7. 492 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka Avy amin’i Kristy daholo izany “fahamasinana mamirapiratra tokana aman-tany”, izay “nampanankarem-pahasoavana azy hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy” [136] izany : “tamin’ny fomba ambony dia ambony no nanavotana azy, ho fitsinjovana ny soa …
  8. 493 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka “Ilay Masina Tanteraka” ( Panaghian ) no fiantsoan’ny Aba amin’ny lovam-pampianarana tatsinanana, an’i Maria Renin’Andriamanitra ; ilay “tsy voan’ ny lotom-pahotana na kely aza, noforonin’ny Fanahy Masina, novolavolaina ho zavaboary vaovao” [138] …
  9. 494 “Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …” I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina [139] , dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe …
  10. 495 Ny maha-renin’Andriamanitra an’i Maria I Maria, izay antsoina hoe “Renin’i Jesoa” (Jo 2,1; 19,25) [144] , ao amin’ny Evanjely, dia nohobiana ho “Renin’ny Tompoko” (Lk 1,43), teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, talohan’ny nahaterahan’ny zanany. Araka izany, …
  11. 496 Ny maha-virjiny an’i Maria Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana [146] ny Fiangonana no niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana koa …
  12. 497 Ny maha-virjiny an’i Maria Ny tantara ao amin’ny Evanjely [151] dia nahazo an-tsaina, ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, ho tsanganasan’Andriamanitra, mihoatra izay rehetra takatry ny saina sy izay rehetra azon’ny olombelona atao [152] : “Fa ny zaza …
  13. 498 Ny maha-virjiny an’i Maria Mahalasa eritreritra ihany indraindray ny tsy nitenenan’ny Evanjelin’i Md Marka sy ireo Taratasin’ny Testamenta Vaovao ny amin’ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria. Mety koa mampanontany tena hoe : izy ity ve eto tsy …
  14. 499 Ny maha-virjiny an’i Maria Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria [156] , na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona …
  15. 500 Ny maha-virjiny an’i Maria Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa [160] . Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria …
  16. 501 Ny maha-virjiny an’i Maria I Jesoa no Zanaka Lahitokan’i Maria. Kanefa ny maha-reny ara-panahy an’i Maria [163] dia ho an’ny olombelona rehetra, izay hamonjy azy ireo no nahatongavan’i Jesoa : “Hiteraka ny Zanany izy, izay ataon’Andriamanitra …
  17. 502 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Ny fijery ara-pinoana no afaka mahita ao amin’ny fifandraisana miaraka amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna, ny antony mifono mistery izay ho amin’izany no sitrak’Andriamanitra, araka ny fandaharam-pamonjeny, hiterahan’ny virjiny ny Zanany. Ireny antony ireny …
  18. 503 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Ny maha-virjiny an’i Maria no mampiseho ny fanombohana tsy miankina na amin’inona na amin’inona ataon’Andriamanitra amin’ny Fahatongavana ho nofo. Tsy manana ho Ray afa-tsy Andriamanitra i Jesoa [165] . “Ny fomba aman-toetra …
  19. 504 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny i Jesoa, satria Izy no Ilay Adama Vaovao [167] izay misantatra ny fahariana vaovao : “Ny olombelona voalohany, avy amin’nytany, ka tany ; ny olombelona …
  20. 505 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. I Jesoa, ilay Adama Vaovao, no nisantatra tamin’ny fiterahan’i virjiny Azy ny fahateraham-baovaon ’ireo zanaka atsangana ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana.“Ahoana no hahatongavan’izany ?” ( Lk 1,34) [169] . Ny …
  21. 506 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Virjiny i Maria satria ny maha-virjiny azy no famantarana ny fînoany “tsy simban’ny fisalasalana na dia kely aza” [171] sy ny fanoloran-tenany iray manontolo amin’ny sitrapon’Andriamanitra [172] . Ny finoany no nahatonga …
  22. 507 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Sady virjiny no reny i Maria, satria izy no endrika sy lavorary indrindra amin’ny fahatanterahan’ny Fiangonana [174] . “Manjary Reny koa ny Fiangonana, noho ny Tenin’Andriamanitra izay raisiny amim-pinoana : satria, amin’ny …
  23. 508 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Tamin’ny taranak’i Eva Andriamanitra no nifidy an’i Maria Virjiny ho Renin’ny Zanany. Noho izy “ feno hasoavana ” , dia izy no “ ilay vokatra tsara dia tsara indrindra avy amin’ny Fanavotana …
  24. 509 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. Tena “ Renin’Andriamanitra ” tokoa i Maria Virjiny, satria izy no Renin’ ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra tonga olombelona sady Andriamanitra rahateo koa.
  25. 510 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. I Maria “ dia naharitra ho virjiny tamin’ny niforonan’ny Zanany tao am-bohoka, virjiny tamin’ny niterahany Azy, virjiny tamin’ny nitrotroany Azy, virjiny tamin’ny nampinonoany Azy, Virjiny mandrakizay ” [177] : amin’ny fisian-tenany manontolo …
  26. 511 Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. . “ Ny finoany sy ny fanekeny an-kalalahana no nentin’i Maria Virjiny nifarimbona tamin’ny famonjena ny olombelona ” [178] . “ Tamin’ny anaran’ny olombelona rehetra ” no nanononany ny eniny [179] . …
  27. 963 Paragrafy 6 . I Maria – Renin’i Kristy, Renin’ny Fiangonana Rahefa voaresaka ny anjara asan’i Maria Virjiny ao amin’ny misterin’i Kristy sy ny Fanahy, dia mety amin’izay ny mandinika ny toerany ao amin’ny misterin’ny Fiangonana. “Araka izany, i Maria Virjiny (…) dia …
  28. 964 Miray fiainana tanteraka amin’ny Zanany… Ny anjara asan’i Maria amin’ny Fiangonana dia tsy azo sarahina amin’ny firaisam-piainany amin’i Kristy, avy aminy mivantana izany. “Io firaisam-piainan’i Maria amin’ny Zanany ao amin’ny tsanganasam-pamonjena io dia niharihary nanomboka tamin’ny fotoana …
  29. 965 Miray fiainana tanteraka amin’ny Zanany… Taorian’ny Fiakaran’ny Zanany any an-danitra, i Maria dia “nanotrona tamin’ny fivavahany ny Fiangonana vao teraka” [520] . Nivory niaraka tamin’ny apôstôly sy vehivavy sasantsasany, “dia hita i Maria niantso koa tamin’ny fivavahany …
  30. 966 … ary koa tamin’ny Fampiakarana azy any an-danitra. “Farany, ilay Virjiny madio tsy voakasi-pahotana, narovan’Andriamanitra mialoha tsy ho voan’ny fahotana tamin’ny fototra mihitsy, nony tapitra ny fiainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitry ny lanitra, ary …