Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
Laharana 503 amin’ny Katesizy
Ny maha-virjiny an’i Maria no mampiseho ny fanombohana tsy miankina na amin’inona na amin’inona ataon’Andriamanitra amin’ny Fahatongavana ho nofo. Tsy manana ho Ray afa-tsy Andriamanitra i Jesoa[165]. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona izay noraisiny dia tsy nampanalavitra Azy na oviana na oviana tamin’ny Ray (…) ; mazava ho azy fa Zanaky ny Rainy Izy amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ary mazava ho azy fa zanaky ny reniny amin’ny maha-olombelona Azy, nefa Zanak’Andriamanitra tokoa ao amin’ireo fomba aman-toetrany roa ireo”[166].