Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
. “Ny finoany sy ny fanekeny an-kalalahana no nentin’i Maria Virjiny nifarimbona tamin’ny famonjena ny olombelona”[178]. “Tamin’ny anaran’ny olombelona rehetra” no nanononany ny eniny[179]. Noho ny fanekeny no nahatonga azy ho Eva vaovao, renin’ny velona.