Ny tendry mialoha ho an’i Maria
Laharana 489 amin’ny Katesizy
Tamin’ny alalan’izay nataon’ireo vehivavy masina, ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha manontolo, no nanomanana ny ho ataon’i Maria. I Eva no tany am-piandohana : na teo aza ny tsy fanekeny, dia nahazo fampanantenana taranaka izay ho mpandresy an’ilay Mpisompatra izy[126], sy fampanantenana mba ho renin’ny velona rehetra[127]. Noho ny hasin’izany fampanantenana izany, dia nitoe-jaza i Sara na efa be taona aza[128]. Tsy araka ny fanampoizan’ny olona, ny nifidianan’Andriamanitra an’izay noheverina ho tsy manan-kery sy osa[129], mba hampisehoana ny tsy fivadihany amin’ny fampanantenany : i Ana, renin’i Samoela[130], i Debôrà, i Rota, i Jodita sy i Estera, ary vehivavy maro hafa. I Maria no “nitana toerana voalohany tamin’ireo manetry tena sy ireo mahantran’ny Tompo izay nanantena sy nandray ny famonjena avy Aminy tamim-pitokiana. Miaraka aminy, dia izy ilay zanakavavin’i Siôna ambony indrindra, no nahataperan’ny fetr’andro sy niorenan’ny fitantanam-pamonjena vaovao, taorian’ny fiandrasana ela ny fampanantenana”[131].