Maria – “Sambatra ilay nino”
Laharana 148 amin’ny Katesizy
I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1,37)[149], ka nanomezany ny fankatoavana hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,38). Niarahaba azy i Elizabeta hoe : “Sambatra ilay nino, fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” (Lk 1,45). Noho io finoana io no mahatonga ny taranaka rehetra hanambara azy hoe sambatra[150].