Ny maha-virjiny an’i Maria
Laharana 497 amin’ny Katesizy
Ny tantara ao amin’ny Evanjely[151] dia nahazo an-tsaina, ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, ho tsanganasan’Andriamanitra, mihoatra izay rehetra takatry ny saina sy izay rehetra azon’ny olombelona atao[152] : “Fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina”, hoy ny Anjely tamin’i Josefa, momba an’i Maria fofombadiny (Mt 1,20). Hitan’ny Fiangonana ao amin’ izany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra nolazainy tamin’ ny alalan’i Izaia mpaminany hoe : “Indro ny Virjiny hitoe-jaza, ka hiteraka zazalahy” (Iz 7,14), araka ny dikan-teny grikan’i Mt 1,23.