Ny maha-virjiny an’i Maria
Laharana 498 amin’ny Katesizy
Mahalasa eritreritra ihany indraindray ny tsy nitenenan’ny Evanjelin’i Md Marka sy ireo Taratasin’ny Testamenta Vaovao ny amin’ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria. Mety koa mampanontany tena hoe : izy ity ve eto tsy angano ihany na fanamboamboarana ara-teôlôjia tsy marim-pototra ara-tantara. Amin’ny inona no tokony havaly izany : ny finoana ny amin’ny niterahan’i virjiny an’i Jesoa dia nahatonga fifanoherana mahery vaika, fanesoana na tsy fifankahazoana avy amin’ny tsy mpino, jody ary jentily[153] : tsy avy amin’ny anganon’ny mpanompo sampy na avy amin’ny fanamboamboarana sasany amin’ny vinavinan-kevitra tamin’izany fotoana izany manko no anton’izy io. Ny hevitra fonosin’io zava-niseho io dia tsy ho azo afa-tsy amin’ny finoana izay mahita izany ao amin’ilay “fifamatorana manakambana ny mistery amin’ny samy mistery”[154], ao amin’ny fitambaran’ny misterin’i Kristy manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo ka hatramin’ny Pakany. Efa nanambara io fifamatorana io i Md Ignace d’Antioche hoe : “Ny mpanapaka an’izao tontolo izao no tsy nahalala ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria, toy izany koa ny fahafatesan’ny Tompo : mistery telo manakoako, izay tanteraka tao amin’ny fanginan’Andriamanitra”[155].
I Maria - “virjiny mandrakizay”