Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
Laharana 504 amin’ny Katesizy
Noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny i Jesoa, satria Izy no Ilay Adama Vaovao[167] izay misantatra ny fahariana vaovao : “Ny olombelona voalohany, avy amin’nytany, ka tany ; ny olombelona faharoa kosa, avy amin’ny lanitra” (1 Kôr 15,47). Feno ny Fanahy Masina, hatramin’ny nahatorontoronina Azy, ny maha-olombelona an’i Kristy, satria “nanome Azy ny Fanahy tsy misy fetra” (Jo 3,34) Andriamanitra. Avy amin’ny “hafenoany”, Izy izay filohan’ny olombelona voavotra[168], no “andraisantsika fahasoavana miampy fahasoavana” (Jo 1,16).