Ny maha-virjiny an’i Maria

Laharana 499 amin’ny Katesizy

Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria[156], na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona aza[157]. Satria “tsy nampihena, fa vao mainka nanamasina ny tena maha-virjiny tsy misy tomika tokoa” an-dreniny[158], ny nahaterahan’i Kristy. Ilay Aeiparthenos, “virjiny mandrakizay”[159] no ankalazan’ny litorzian’ ny Fiangonana, an’i Maria.

Loharano ôfisialy ↗