Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka
Laharana 490 amin’ny Katesizy
I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra ny fanomezana mifanaraka amin’izany asa lehibe tokoa izany”[132]. Ny Anjely Gabriely, tamin’ny fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana”[133]. Satria, mba hahafahana manome fankatoavana an-kalalahana amin’ny finoany, tamin’ny filazana ny fiantsoana azy, dia tsy maintsy nanaiky tanteraka ho tarihin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy.