Eokaristia
Laharana 98
- 1382 VI. Ny fanasam-be momba ny Paka Ny lamesa dia sady tsangambato fahatsiarovana ny sorona izay ao amin’izany no hitohizan’ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana, sy ny fanasam-be masin’ny fiombonana amin’ny Vatana sy amin’ny Ran’ny Tompo ; tsy azo sarahina …
- 1383 VI. Ny fanasam-be momba ny Paka Ny ôtely , izay manodidina izany ny Fiangonana no miara-miangona amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho ireo endrika roa an’ny mistery iray ihany : ny ôtelin-tsorona sy ny latabatry ny Tompo, sady …
- 1384 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Miangavy antsika amin’ny fanasana maika ny Tompo mba handray Azy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia …
- 1385 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mamporisika antsika handinin-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity …
- 1386 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Eo anatrehan’ny fiambonian’ity sakramenta ity, ny mpino dia tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy ny mamerina amim-panetren-tena sy miaraka amin’ny finoana mirehidrehitra ny tenin’ilay Tomponjato [74] hoe : “ Domine, non …
- 1387 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Mba hiomanana amin’ny fomba mendrika handray ity sakramenta ity, ny mpino dia hitandrina ny fifadian-kanina voadidy ao amin’ny Fiangonan’izy ireo [77] . Ny fihetsika aseho (fihetsiky ny tena, fitafiana) no haneho ny …
- 1388 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Mifanaraka amin’ny hevitra raketin’ny Eokaristia rahateo, ireo mpino, raha manana ny toe-panahy ilaina, mandray kômonio rahefa mandray anjara amin’ny lamesa izy ireo [78] : “Hafarana mafy ny mpino mba handray anjara amin’ny …
- 1389 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Didian’ny Fiangonana ny mpino handray anjara amin’ny litorzia masina, ny alahady sy ny andro fety [80] ary handray ny Eokaristia fara fahakeliny indray maka isan-taona, ary raha azo atao, amin’ny fotoanan’ny Paka …
- 1390 “Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio Noho ny fisiana maha-eo ara-tsakramenta an’i Kristy, amin’ny iray amin’ireo endrika, ny fandraisana kômonio amin’ny endriky ny mofo ihany dia ahafahana mandray ny vokatra manontolo ny fahasoavan’ny Eokaristia. Noho ny antony ara-pastôraly, …
- 1391 Ny vokatry ny kômonio Mampitombo mafy ny firaisantsika amin’i Kristy ny kômonio . Ny mandray ny Eokaristia amin’ny kômonio, no mampamokatra be ny firaisana lalina amin’i Kristy Jesoa. Satria hoy ny Tompo : “Izay mihinana ny …
- 1392 Ny vokatry ny kômonio Tahaka ny hamokaran’ny ventin-tsakafo eo amin’ny fiainantsika ara-batana, no hanatanterahan’ny kômonio izany amin’ny fomba mahagaga ao amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ny fiombonana amin’ny Nofon’i Kristy nitsangan-ko velona, “velomin’ny Fanahy Masina sy mamelon’aina” [84] …
- 1393 Ny vokatry ny kômonio Ny kômonio manasaraka antsika amin’ny fahotana . Ny Vatan’i Kristy izay raisintsika amin’ny kômonio dia “natolotra ho antsika”, ary ny Ra izay sotrointsika dia “nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho …
- 1394 Ny vokatry ny kômonio Tahaka ny sakafom-batana ilaina mba hamerina ny fahaverezan-kery, dia toy izany koa, ny Eokaristia no manamafy ny fifankatiavana izay mitady hihaosa, eo amin’ny fiainana andavanandro ; ary izany fifankatiavana mamelon’aina izany no …
- 1395 Ny vokatry ny kômonio Amin’izany fifankatiavana izany ihany izay ampirehetiny ao amintsika no iarovan’ny Eokaristia antsika amin’ny fahotana mahafaty ho avy. Arakaraka ny andraisantsika anjara amin’ny fiainan’i Kristy sy arakaraka ny androsoantsika amin’ny fisakaizana Aminy, no …
- 1396 Ny vokatry ny kômonio Ny maha-iray ny Vatana mistika : maha-Fiangonana ny Eokaristia . Ireo izay mandray ny Eokaristia dia miray bebe kokoa amin’i Kristy. Amin’ izany koa, i Kristy no mampiray azy ireo amin’ny mpino …
- 1397 Ny vokatry ny kômonio Miteraka adidy aman’andraikitra manoloana ny mahantra ny Eokaristia . Mba handraisana amim-pahamarinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy natolotra ho antsika, tsy maintsy mamantatra an’i Kristy eo amin’ireny mahantra indrindra rahalahiny ireny isika [91] …
- 1398 Ny vokatry ny kômonio Ny Eokaristia sy ny firaisan’ny kristianina . Manoloana ny halehiben’izany mistery izany, loa-bava i Md Augustin hoe : “ Ry sakramentan’ny fitiavam-bavaka ô ! Ry famantarana ny firaisana ô ! ry fehin’ny …
- 1399 Ny vokatry ny kômonio Ny Fiangonana tatsinanana izay tsy dia miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika dia mankalaza ny Eokaristia amim-pitiavana lehibe tokoa. “Ireny Fiangonana ireny, na dia tafasaraka aza, dia manana sakramenta marina tokoa, - indrindra …
- 1400 Ny vokatry ny kômonio Ny vondrom-piangonana nipoitra avy amin’ny Fanavaozana, tafasaraka tamin’ny Fiangonana katôlika, “indrindra noho ny tsy fisian’ny sakramentan’ny Filaharana, dia tsy mitahiry ny fisia-maha-izy manokana sy manontolo ny mistery Eokaristika” [96] . Noho izany …
- 1401 Ny vokatry ny kômonio Raha misy anton-javatra lehibe manery dia manery, araka ny fahaiza-mandanjalanjan’ny manam-pahefana andavanandro eo an-toerana, ny mpandraharaha masina katôlika dia mahazo manome ny sakramenta (Eokaristia, Fivalozana, Fanosorana ny marary) ho an’ny kristianina hafa …
- 1402 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ao amin’ny vavaka tranainy iray, manambara an-kafaliana ny misterin’ny Eokaristia ny Fiangonana hoe : “Ry fanasam-be masina ô, ianao no misy an’i Kristy sakafonay, ianao no mamelombelona ny fahatsiarovana ny fijaliany, ianao …
- 1403 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Tamin’ny Sakafo farany, ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no nampitodika ny fijerin’ny mpianany ho amin’ny fahatanterahan’ny Paka any amin’ny fanjakan’Andriamanitra : “Lazaiko aminareo, tsy hisotro intsony avy amin’ity vokatry ny voaloboka ity Aho …
- 1404 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Mahafantatra ny Fiangonana, hatramin’izao, fa tonga amin’ny Eokaristiany ny Tompo, ary ao Izy sy eo anivontsika. Kanefa, takona io fisiana maha-eo io. Izany no ankalazantsika ny Eokaristia eo “am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina …
- 1405 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Avy amin’izany fanantenana lehibe izany, fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana [105] , dia tsy manana antoka tena marina sy famantarana tena miharihary, afa-tsy ny Eokaristia isika. …
- 1406 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Hoy i Jesoa : “ Izaho no mofo velona, nidina avy any an-danitra. Izay hihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay (…). Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no …
- 1407 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Eokaristia no foibe sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana, satria ao aminy i Kristy no mamondrona ny Fiangonany sy ny rantsambatany rehetra amin’ny sorom-piderany sy fisaorana natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana …
- 1408 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny fankalazana ny Eokaristia dia mirakitra lalandava : ny fanambaràna ny Tenin’Andriamanitra, ny fisaorana an’Andriamanitra Ray noho ny soa maro be nataony, indrindra noho ny fanomezany ny Zanany, ny fanamasinana ny mofo …
- 1409 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy ny Eokaristia : izany hoe ny tsanganasam-pamonjena notontosaina tamin’ny fiainan’i Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, tsanganasam-pamonjena manjary eo amin’ny asa litorzika.
- 1410 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny …
- 1411 VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” Ny Pretra nohamasinina ara-dalàna no hany mahazo mitarika ny fankalazana ny Eokaristia sy manamasina ny mofo sy ny divay mba hanjary Vatana sy Ran’ny Tompo ireo.