Ny vokatry ny kômonio
Laharana 1401 amin’ny Katesizy
Raha misy anton-javatra lehibe manery dia manery, araka ny fahaiza-mandanjalanjan’ny manam-pahefana andavanandro eo an-toerana, ny mpandraharaha masina katôlika dia mahazo manome ny sakramenta (Eokaristia, Fivalozana, Fanosorana ny marary) ho an’ny kristianina hafa izay tsy miombona tanteraka amin’ny Fiangonana katôlika, nefa mangataka izany araka ny nahim-pony izy ireo : raha izany, tsy maintsy maneho ny finoana katôlika mikasika ireo sakramenta ireo izy ireo ary tsy maintsy mahatsiaro tena hanatanteraka ny fepetra ilaina[98].