VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”

Laharana 1403 amin’ny Katesizy

Tamin’ny Sakafo farany, ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no nampitodika ny fijerin’ny mpianany ho amin’ny fahatanterahan’ny Paka any amin’ny fanjakan’Andriamanitra : “Lazaiko aminareo, tsy hisotro intsony avy amin’ity vokatry ny voaloboka ity Aho mandra-pahatongan’ny andro izay hisotroako miaraka aminareo ny divay vaovao any amin’ny Fanjakan’ny Raiko” (Mt 26,29)[101]. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mahatsiaro izany fampanantenana izany ary mampitodika ny fijeriny any amin’Ilay “izay ho avy” (Apôk 1,4). Amin’ny fivavahany, miantso ny fahatongavany izy : “Marana tha” (1 Kôr 16,22), “Tongava, ry Jesoa Tompo” (Apôk 22,10), “Ho tonga anie ny fahasoavanao ary handalo anie izao tontolo izao!”[102]

Loharano ôfisialy ↗