VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”
Laharana 1405 amin’ny Katesizy
Avy amin’izany fanantenana lehibe izany, fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana[105], dia tsy manana antoka tena marina sy famantarana tena miharihary, afa-tsy ny Eokaristia isika. Noho izany, isaky ny ankalazaina io mistery io, dia “mamokatra ny tsanganasam-panavotana antsika”[106], ary isika “no mamaky ny mofo iray ihany izay fanafodin’ny tsy fahafatesana, fanefitra mba tsy ho faty, fa mba ho velona ao amin’i Jesoa-Kristy mandrakizay”[107].
FAMINTINANA