“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio
Laharana 1389 amin’ny Katesizy
Didian’ny Fiangonana ny mpino handray anjara amin’ny litorzia masina, ny alahady sy ny andro fety[80] ary handray ny Eokaristia fara fahakeliny indray maka isan-taona, ary raha azo atao, amin’ny fotoanan’ny Paka[81], rahefa voaomana tamin’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana. Kanefa amporisihan’ny Fiangonana mafy ny mpino mba handray ny Eokaristia masina ny alahady sy ny andro fety, na mbola matetika kokoa, na isan’andro aza.