“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio

Laharana 1388 amin’ny Katesizy

Mifanaraka amin’ny hevitra raketin’ny Eokaristia rahateo, ireo mpino, raha manana ny toe-panahy ilaina, mandray kômonio rahefa mandray anjara amin’ny lamesa izy ireo[78] : “Hafarana mafy ny mpino mba handray anjara amin’ny Lamesa amin’ny fomba lavorary kokoa, amin’ny fandraisana koa ny Vatan’ny Tompo amin’io sorona io ihany, aorian’ny kômonion’ny Pretra”[79].

Loharano ôfisialy ↗