VI. Ny fanasam-be momba ny Paka

Laharana 1383 amin’ny Katesizy

Ny ôtely, izay manodidina izany ny Fiangonana no miara-miangona amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho  ireo endrika roa an’ny mistery iray ihany : ny ôtelin-tsorona sy ny latabatry ny Tompo, sady izao indrindra, ny ôtely kristianina dia fanehoana an’ohatra ny Tenan’i Kristy mihitsy, eo anivon’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino Azy, ka sady tena sorona atolotra ho an’ny fampihavanana antsika no tena sakafo any an-danitra izay manolo-tena ho antsika. “Koa inona izany fa tsy sarin’ny Vatan’i Kristy ny ôtelin’i Kristy ?”, hoy i Md Ambroise[71], ary ankoatra izany : “Mampiseho an-tsary ny Vatan’ [i Kristy] ny ôtely, ary ny Vatan’i Kristy no eo ambony ôtely”[72]. Mampiseho io firaisan’ny sorona sy ny kômonio io ao amin’ny vavaka maro be ny litorzia. Ny Fiangonan’i Rôma dia mivavaka toy izao ao amin’ny vavaka fisaorany :

Mitalaho an-tanan-droa Aminao izahay, ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra : [ity fanatitra ity] anie hoentin’ny anjelinao eo anatrehan’ny voninahitrao, eo amin’ny ôtelinao any an-danitra, ka amin’ny fandraisana eto, amin’ny alalan’ny kômonio eo amin’ny ôtely, ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, dia hoheniky ny fahasoavanao sy ny tsodranonao izahay[73].

Loharano ôfisialy ↗