← Lohahevitra rehetra

Eokaristia

Laharana 98

  1. 1352 Ny fizotran’ny fankalazana Ny vavaka fisaorana : amin’ny vavaka Eokaristika, vavaka fisaorana sy fankamasinana, no tonga eo amin’ny ivo sy tampon’ny fankalazana isika: Amin’ny prefasy ny Fiangonana no misaotra ny Ray, amin’ny alalan’i Kristy, ao …
  2. 1353 Ny fizotran’ny fankalazana Amin’ny epikilezy, mangataka amin’ny Ray ny Fiangonana handrotsaka ny Fanahiny Masina (na ny herin’ny tsodranony [41] ) eo amin’ny mofo sy ny divay, mba ho zary Vatana sy Ran’i Jesoa-Kristy ireo, amin’ny …
  3. 1354 Ny fizotran’ny fankalazana Manaraka izany, amin’ny anaminezy , mahatsiaro ny fijalian’i Jesoa-Kristy, ny fitsanganany ho velona ary ny fiverenany amim-boninahitra ny Fiangonana ; atolony amin’ny Ray ny fanatitry ny Zanany izay mampihavana antsika Aminy indray. …
  4. 1355 Ny fizotran’ny fankalazana Amin’ny kômonio , ialohavan’ny vavaky ny Tompo sy ny famakiana ny mofo, mandray ny “mofon’ny lanitra” sy “ny kalisim-pamonjena” ny mpino, dia ny Vatana sy ny Ran’i Kristy, izay nanolo-tena “ho fiainan’ …
  5. 1356 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Raha mankalaza ny Eokaristia hatrany am-piandohana ny kristianina, sy amin’ny endrika izay tsy niova, tao anatin’ny fisia-maha-izy azy, teo am-pamakivakiana ny faha-samihafa lehibe ny taona sy ny litorzia dia satria fantatsika fa …
  6. 1357 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Ity baikon’ny Tompo ity, dia tanterahintsika amin’ny fankalazana ny tsangambato fahatsiarovana ny sorona natolony . Izany no atao dia ny anolorantsika amin’ny Ray izay ny Tenan’Izy ihany no nanome azy antsika : …
  7. 1358 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Noho izany, tsy maintsy hodinihintsika ny Eokaristia : - amin’ny maha-fisaorana sy fiderana ny Ray azy ; - amin’ny maha-tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Vatany azy ; - amin’ny fisiana …
  8. 1359 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Ny Eokaristia, sakramentam-pamonjena antsika notanterahin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana, dia sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny asa fahariana koa. Amin’ny sorona Eokaristika, ny zavaboary manontolo tian’Andriamanitra dia natolotra ny Ray tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i …
  9. 1360 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Sorom-pisaorana ny Ray ny Eokaristia, fisaorana izay anehoan’ny Fiangonana ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny soa rehetra avy Aminy, noho izay rehetra notanterahiny tamin’ny alalan’ny fahariana, ny fanavotana, ary ny fanamasinana. Ny Eokaristia …
  10. 1361 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Sorom-piderana koa ny Eokaristia, izay hihiran’ny Fiangonana ny Voninahitr’Andriamanitra amin’ny anaran’ny voary manontolo. Amin’ny alalan’i Kristy ihany no azo atao izany sorom-piderana izany : Izy no mampiray ny mpino amin’ny Tenany, amin’ny …
  11. 1362 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Ny Eokaristia no tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, fampiharana amin’ny fiainana ankehitriny ary fanatitra ara-tsakramentan’ ny sorona tokana aman-tany nataony, ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana izay Vatany. Ao amin’ny vavaka fisaorana rehetra no …
  12. 1363 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Araka ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, ny hoe tsangambato fahatsiarovana dia tsy fahatsiarovana fotsiny ny zava-niseho tamin’ny lasa, fa fanaovana antso avo ny zava-mahagaga izay notanterahin’Andriamanitra ho an’ny olombelona [44] . Amin’ny fankalazana …
  13. 1364 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Mahazo hevitra vaovao ny tsangambato fahatsiarovana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Rahefa mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mampahatsiaro ny Pakan’i Kristy, ary mahatonga azy ity ho eo : ny sorona izay natolotr’i …
  14. 1365 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Noho izy tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, ny Eokaristia dia sorona koa . Ny toetra manokana maha-sorona ny Eokaristia dia miseho amin’ireo teny nanorenana azy ihany : “Ity no Vatako izay atolotra …
  15. 1366 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Noho izany, sorona ny Eokaristia, satria izy no mampiseho (maha-misy eo) ny soron’ny Hazofijaliana, satria izy no tsangambato fahatsiarovana an’izany, satria izy no mampihatra ny vokatra avy amin’izany : [I Kristy] Andriamanitsika …
  16. 1367 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany …
  17. 1368 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Soron’ny Fiangonana koa ny Eokaristia . Ny Fiangonana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny Filohany. Miaraka Aminy, ny tenany mihitsy no atolony manontolo. Miray amin’ny fanalalana ataon’i Kristy eo …
  18. 1369 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Ny Fiangonana manontolo dia miray amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalan’i Kristy . Noho ny Papa miantsoroka ny andraiki-panompoan’i Piera ao amin’ny Fiangonana, dia akambana amin’ny fankalazana manontolo ny Eokaristia izy, izay amin’izany …
  19. 1370 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Amin’ny fanatitr’i Kristy, tsy ny rantsambatana mbola ety an-tany ihany no mikambana ao, fa koa ireo izay efa any amin’ny voninahitry ny lanitra : amin’ny fiombonana amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra sy …
  20. 1371 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Ny sorona Eokaristika dia atolotra koa ho an’ny mpino efa nodimandry “izay maty tao amin’i Kristy ary tsy mbola voadio manontolo” [52] , mba hahazoan’izy ireo miditra any amin’ny fahazavana sy ny …
  21. 1372 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Tamim-pomba mampitolagaga no namintinan’i Md Augustin ity fitambaram-pampianarana ity izay mandrisika antsika amin’ny fandraisana anjara feno mitombo hatrany hatrany amin’ny soron’ny Mpanavotra antsika izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia : Ity tanàna navotana manontolo …
  22. 1373 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina “I Kristy Jesoa izay maty, nitsangan-ko velona, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, manalalana ho antsika” (Rôm 8,34), dia eo amin’ny Fiangonany amin’ny fomba maro [56] : ao amin’ny Teniny, ao amin’ny vavaky ny Fiangonany, …
  23. 1374 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Tokana aman-tany ny fomba fisiana maha-eo an’i Kristy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Asandrany ho ambonin’ny sakramenta rehetra ny Eokaristia ary ataony “ho fandavorariana ny fiainana ara-panahy sy …
  24. 1375 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Amin’ny fiovàn’ny mofo sy divay ho Vatana sy ho Ran’i Kristy no manjary amin’io sakramenta io ny fisiana maha-eo an’i Kristy. Nanantitrantitra mafy ny finoan’ny Fiangonana ny Aban’ny Fiangonana ny amin’ny fandairan’ny …
  25. 1376 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Mamintina ny finoana katôlika ny Kônsily tao Trente amin’ny fanambaràna hoe : “Satria i Kristy, Mpanavotra antsika, nilaza fa izay natolony tamin’ny endriky ny mofo dia Vatany marina tokoa, ka tanana lalandava …
  26. 1377 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny Eokaristia dia manomboka amin’ny fotoanan’ny fankamasinana, ary maharitra ela izany raha mbola maharitra koa ny fisia-maha-izy ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. I Kristy dia …
  27. 1378 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia . Ao amin’ny litorzian’ny lamesa no anehoantsika ny finoantsika ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ohatra amin’izany, amin’ny fandohalihana, …
  28. 1379 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Ny fitahirizana masina (tabernakla) dia voalohany indrindra natao hitahirizana amim-panajana ny Eokaristia mba hahafahana mitondra azy ivelan’ny lamesa ho an’ireo marary sy ireo tsy tonga. Noho ny fandalinana ny finoana ny amin’ny …
  29. 1380 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina Mendrika mihitsy ny nanirian’i Kristy hitoetra ao amin’ny Fiangonany amin’ity fomba tokana aman-tany ity. Noho i Kristy nandao ireo mpianany amin’ny endrika hita maso, dia sitrany ny nanome antsika ny fisiana maha-eo …
  30. 1381 Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina “Ny fisian’ny Vatana marin’i Kristy sy ny Ra marin’i Kristy amin’ity sakramenta ity, dia "tsy amin’ny fandrenesana velively no ahafatarana izany, hoy i Md Thomas, fa amin’ny alalan’ny finoana irery , izay …