Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
901
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
“Ny lahika, noho ny fanokanana azy ireo amin’i Kristy sy noho ny fanosoran’ny Fanahy Masina, dia nandray ny antso mampitolagaga sy ny fomba izay mamela ny Fanahy hitera-bokatra bebe kokoa hatrany ao …
→
-
902
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
Amin’ny fomba manokana, mandray anjara amin’ny adidy aman’andraikitra amin’ny fanamasinam-piainana ny ray aman-dreny “rahefa miaina ny maha-mpivady araka ny toe-tsaina amam-panahy kristianina sy manome ho an’ny zanany ny fanabeazana kristianina” [433] .
→
-
903
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpisorona an’i Kristy
Ny lahika, raha toa izy ireo ka manana ny toetra mendrika ilaina, dia mety azo raisina amin’ny fomba maharitra ho amin’ny andraiki-panompoan’ny mpamaky teny sy ny akôlita [434] . “Eo amin’ny zavatra …
→
-
904
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
“I Kristy (…) dia nanatontosa ny anjara raharaha maha-mpaminany Azy, tsy amin’ny alalan’ny ambaratongam-pitondrana irery ihany (…), fa koa amin’ny alalan’ny lahika izay ajorony ho vavolombelon’izany amin’ny namatsiana azy ireo ny fahalalana …
→
-
905
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
Ny iraka maha-mpaminany ny lahika dia tanterahin’izy ireo koa amin’ny alalan’ny fitoriana ny Evanjely, “izany hoe ny fanambaràna an’i Kristy atao amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana sy amin’ny alalan’ny teny”. Eo amin’ny …
→
-
906
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
Amin’ireo samy mpino lahika izay afaka mahavita izany sy mianatra an’izany, dia afaka mitondra ny anjara birikin’izy ireo koa amin’ny fampiofanana ara-katesezy [440] , amin’ny fampianarana taranjam-pahalalana masina [441] , amin’ny fitaovam-pifandraisan’ny …
→
-
907
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
“Araka ny adidy, ny fahaizana manokana ary ny laza izay ananan’izy ireo, dia manana zo izy ireo ary indraindray aza manana adidy hanome ny hevitr’izy ireo amin’ny Mpiandry ondry voahosotra, ny amin’izay …
→
-
908
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Tamin’ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana [444] i Kristy no nampita tamin’ ny mpianany ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fahafahana maha-mpanjaka, “mba hamongoran’izy ireo ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ ny tenan’izy ireo, amin’ny alalan’ny …
→
-
909
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
“Fanampin’izany, aoka ny lahika, amin’ny fanatambarana ny heriny, hitondra fanatsarana sahaza ireo rafi-pitondrana sy ireo fomba fiainana eto amin’izao tontolo izao, rahefa mandrisika ho amin’ny fahotana ireo, mba hahatongavan’ireo hifanaraka amin’ny fitsipi-pahamarinana …
→
-
910
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
“Ny lahika dia mety koa hahatsiaro tena fa voantso na tena voantso hiara-miasa amin’ireo mpiandry ondry amin’ny fanompoana ny ankohonam-piangonana tiana hitombo vahana sy aina, amin’ny fisahanana ny andraiki-panompoana maro karazana, araka …
→
-
911
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Ao amin’ny Fiangonana, “ny mpino lahika dia afaka mifarimbona araka ny lalàna manan-kery amin’ny fampiasana ny fahefam-pitondrana” [449] . Tahaka izany ny fisian’izy ireo ao amin’ny Filan-kevitra manokana [450] , ny Sinôdan’ny …
→
-
912
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Ny mpino dia tokony “hanavaka amim-pitandremana ny zo amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo amin’ny maha-rantsambatan’ny Fiangonana azy ireo, sy izay tandrifin’izy ireo araka ny maha-olon’ny fiaraha-monina azy ireo. Aoka izy ireo hiezaka …
→
-
913
Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
“Amin’izany, ny lahika rehetra, noho ny fanomezana izay natao ho azy ireo, dia mitambatra ho vavolombelona no sady fitaovana velona amin’ny fanirahana ny tenan’ny Fiangonana rahateo ihany "araka ny ambaratongam-panomezana avy amin’i …
→
-
914
III. Ny fanokanam-piainana
“Ny lalam-piainana miorina amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny Evanjely, na tsy mikasika ny rafitr’ambaratongam-pitondrana ny Fiangonana aza, dia tsy azo lavina fa anisan’ny fiainany sy ny fahamasinany” [458] .
→
-
915
Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana
Ny torohevitry ny Evanjely, amin’ny hamaroan’izy ireo, dia atolotra ho an’izay rehetra mpianatr’i Kristy. Ny fahalavorariana amin’ny fitiavana izay iantsoana ny mpino rehetra, no ananan’ireo izay manolo-tena an-kalalahana amin’ny famaliana ny antso …
→
-
916
Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana
Amin’izany ny toetran’ny fanokanam-piainana no hita fa iray amin’ireo fomba ahalalana ny fanokanana “lalina indrindra”, izay miorim-paka amin’ ny Batemy sy atokana manontolo ho an’Andriamanitra [460] . Ny kendren’ny mpinon’i Kristy amin’ny …
→
-
917
Hazo lehibe iray, maro sampana
“Tahaka ny hazo iray izay misampantsampana amin’ny fomba mampitolagaga sy maro ao amin’ny sahan’ny Tompo, niainga avy amin’ny tsirin’ny voa nafafin’ Andriamanitra, dia tahaka izany no itomboan’ny endrika samihafa ny fiainana manirery …
→
-
918
Hazo lehibe iray, maro sampana
“Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay naniry, amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Evanjely, hanaraka an-kalalahana an’i Kristy sy haka tahaka Azy araka ny tena izy kokoa ary, araka ny fombany …
→
-
919
Hazo lehibe iray, maro sampana
Ny Eveka dia miezaka lalandava handanjalanja ny fanomezam-pahasoavana momba ny fanokanam-piainana vaovao nankinin’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonany ; ny fankatoavana ny endrika vaovao ny fanokanam-piainana dia natokana ho an’ny Foibem-pitondrana apôstôlika [464] …
→
-
920
Fiainan’ny mpitoka-monina irery
Na tsy manao voady ampahibemaso lalandava araka ny torohevitra telo ny Evanjely aza ny mpitoka-monina irery, dia “ao anatin’ny fiesorana mafimafy kokoa amin’izao tontolo izao, ao anatin’ny fahanginan’ny fitoka-monina, ao anatin’ny fahazotoana …
→